samedi 16 juin 2012

Mpitia dia an-tongotra – Eny Ankadivoribe ny olika voasoritra voalohany

Nosokafana omaly ny olika voasoritra (circuit balisé) ho an’ny mpitia dia an-tongotra eny andrefan’Andoharanofotsy. Halavirana 7 km nasiana marika famantarana manara-penitra  iraisam-pirenena izy io, ka hahafana mandeha irery. Ny Ofisim- paritry ny fizahantany Analamanga (Ortana), ilay Frantsay Michel Larocca ary ny Tana Rando no angady nananana izao zava-bita ho an’ireo mpitia dia an-tongotra izao. Maimaim-poana ny fanomezan’i Michel Larocca fiofanana ho an’ny mpitari-dia sy namolavola io olika voasoritra voalohany io. Miaraka hita amin’io olika voasoritra io ny tantaran’Imerina sy izay mampiavaka ny faritra atsimon’ny renivohitra. Tiré de la Gazette AoRaha par Barphil Andriantsiferanarivo

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire